Ny Vavolombelon’i Jehovah—Iza moa Izy Ireo? Inona no Inoany? |
Inona no Inoany?Mino an’i Jehovah, ilay Andriamanitra Hery Fara Tampony, Mpamorona ny lanitra sy ny tany, ny Vavolombelon’i Jehovah. Matoa misy ireo zava-mahatalanjona eo amin’izao rehetra izao manodidina antsika, dia satria nisy Mpamorona faran’izay manan-tsaina sy matanjaka nanao azy rehetra ireny. Ahitana taratry ny toetran’ny olona ny zava-bitany. Toy izany koa ny amin’i Jehovah Andriamanitra. Milaza amintsika ny Baiboly fa “ny toetrany tsy hita maso, izany hoe ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra azy, dia hita mazava hatramin’ny namoronana izao tontolo izao, satria hita amin’ny zavatra nataony.” “Mitory ny voninahitr’Andriamanitra” koa ny lanitra, na dia tsy miteny aza.—Romanina 1:20; Salamo 19:1-4.
Misy antony matoa ny olona manamboatra vilany tany, na televiziona, na ordinatera. Mbola mahatalanjona lavitra noho ireo anefa ny tany, mbamin’ny zavamaniry sy ny biby eo aminy. Tsy takatry ny saintsika ny firafitry ny vatan’olombelona, izay misy sela tsy hita isa. Zava-mahagaga tsy takatry ny saintsika koa na dia ny atidohantsika aza! Tsinontsinona ny zavatra nataon’olombelona raha oharina amin’izany, kanefa misy antony ny nanaovan’ny olona ireny zavatra noforonina ireny. Tsy maintsy misy antony koa àry matoa i Jehovah Andriamanitra namorona ireny zava-mahatalanjona ireny! Izao tokoa no lazain’ny Ohabolana 16:4: “Ny zavatra rehetra nataon’i Jehovah dia samy misy antony avokoa.”
Misy antony ny nanaovan’i Jehovah ny tany, araka izao nambarany tamin’ilay mpivady olombelona voalohany izao: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany ... manjakà amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.” (Genesisy 1:28) Tsy nankatò izy mivady, ka tsy vitany ny nahatonga ny tany ho feno olo-marina, izay tokony ho nikarakara tamim-pitiavana ny tany sy ny zavamaniry ary biby. Tsy nahatonga ny fikasan’i Jehovah tsy ho tanteraka anefa izany. Izao no nosoratana, an’arivo taona tatỳ aoriana: ‘Tsy namorona ny tany tsy amin’ny antony akory Andriamanitra, ilay Mpanao ny tany. Nataony honenana izy io.’ Tsy natao hopotehina izy io, satria “ny tany ... maharitra mandrakizay.” (Isaia 45:18, TV; Mpitoriteny 1:4) Ho tanteraka ny fikasan’i Jehovah ho an’ny tany, araka ny teniny hoe: “Ho to ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko rehetra.”—Isaia 46:10.
Mino àry ny Vavolombelon’i Jehovah fa haharitra mandrakizay ny tany, ary honina eo mandrakizay ny olona rehetra, na ny velona na ny maty, izay hiaina mifanaraka amin’ilay fikasan’i Jehovah hanova ny tany ho kanto. Mpanota ny olombelona rehetra satria nandova tsy fahalavorariana tamin’i Adama sy Eva. (Romanina 5:12) Hoy ny Baiboly amintsika: “Fahafatesana no karama omen’ny ota.” “Fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona.” “Ny fanahy izay manota no ho faty.” (Romanina 6:23; Mpitoriteny 9:5; Ezekiela 18:4, 20) Ahoana àry no hahafahan’izy ireo ho velona indray, ka hahazo ireo fitahiana hisy eto an-tany? Amin’ny alalan’ny sorona nataon’i Jesosy Kristy, satria hoy izy: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana. Izay maneho finoana ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.” ‘Handre ny feony ny olona rehetra any am-pasana, dia hivoaka.’—Jaona 5:28, 29; 11:25; Matio 20:28. Ahoana no hahatanterahan’izany? Manazava izany ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana.” I Jesosy no nitory azy io voalohany, fony izy teto an-tany. (Matio 4:17-23) Mitory ny vaovao tsara amin’ny fomba iray tena manokana anefa ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. | ||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
FINOAN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH
| ||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
Navoaka tamin’ny 2000 |