| Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? | 2 |
Iza moa Andriamanitra? |
|
| Iza ilay Andriamanitra marina, ary iza no anarany? (1, 2) | |
| Inona ny vatany? (3) | |
| Inona avy no toetrany miavaka? (4) | |
| Tokony hampiasa sary masina sy sarin-javatra ve isika, rehefa mivavaka aminy? (5) | |
| Misy fomba roa ahafantarantsika an’Andriamanitra. Inona avy izy ireo? (6) | |
1. Mivavaka amin-javatra maro ny olona. Lazain’ny Baiboly amintsika anefa fa tokana ihany ilay Andriamanitra MARINA. Izy no namorona ny zava-drehetra any an-danitra sy etỳ an-tany. Noho izy nanome antsika ny fiainana, dia izy Irery ihany no tokony hivavahantsika.—1 Korintiana 8:5, 6; Apokalypsy 4:11.
2. Manana anaram-boninahitra maro Andriamanitra, nefa tokana ihany ny tena anarany. JEHOVAH izany anarana izany. Nisy olona nanala ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny Baiboly ka nanolo azy tamin’ny anaram-boninahitra hoe TOMPO na ANDRIAMANITRA. Fony nosoratana anefa ny Baiboly, dia niseho tao im-7000 teo ho eo, ny anarana hoe Jehovah!—Eksodosy 3:15; Salamo 83:18. 3. Manana vatana i Jehovah, saingy tsy mitovy amin’ny antsika ny azy. “Andriamanitra dia Fanahy”, hoy ny Baiboly. (Jaona 4:24) Ny fanahy dia ambony karazana noho isika. Mbola tsy nisy olombelona nahita an’Andriamanitra mihitsy. Mipetraka any an-danitra i Jehovah, nefa afaka mahita ny zavatra rehetra izy. (Salamo 11:4, 5; Jaona 1:18) Inona kosa anefa ny fanahy masina? Tsy tahaka an’Andriamanitra akory izy io, fa hery miasan’Andriamanitra kosa.—Salamo 104:30. 4. Ampahafantarin’ny Baiboly antsika ny toetran’i Jehovah. Asehony fa toetrany miavaka ny fitiavana, ny fanaovana ny rariny, ny fahendrena ary ny hery. (Deoteronomia 32:4; Joba 12:13; Isaia 40:26; 1 Jaona 4:8) Lazain’ny Baiboly amintsika koa fa mamindra fo, tsara fanahy, mamela heloka, tia manome, ary manam-paharetana i Jehovah. Tokony hiezaka hanahaka azy isika, toy ny zanaka mankatò.—Efesiana 5:1, 2.
5. Tokony hiankohoka, na hivavaka amin’ny sary masina, na sarin-javatra, ve isika rehefa mivavaka? Tsia! (Eksodosy 20:4, 5) Milaza i Jehovah fa izy irery ihany no tsy maintsy ivavahantsika. Ny voninahiny tsy hozarainy amin’olon-kafa na iza na iza, na amin-javatra hafa na inona na inona. Tsy manan-kery hanampy antsika ny sary masina.—Salamo 115:4-8; Isaia 42:8. 6. Ahoana no ahafantarantsika tsara kokoa an’Andriamanitra? Izao no fomba iray: Mandinika ireo zavatra noforoniny ary mieritreritra lalina hoe inona no ambaran’izy ireny amintsika. Asehon’ireo zavatra noforonin’Andriamanitra fa manana hery sy fahendrena lehibe izy. Hitantsika eo amin’izay rehetra nataony fa be fitiavana izy. (Salamo 19:1-6; Romana 1:20) Ny fomba faharoa ahafantarantsika an’Andriamanitra dia ny fianarana ny Baiboly. Ao amin’ny Baiboly no ilazany amintsika zavatra betsaka lavitra momba ny toetrany. Lazainy amintsika ao koa ny fikasany sy izay tiany hataontsika.—Amosa 3:7; 2 Timoty 3:16, 17. |
|
Navoaka tamin’ny 1996 |
|
Copyright © 2008 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania. All rights reserved. |
|