Adiresy Internet Ofisialin’ny Vavolombelon’i Jehovah

Miverina amin’ny voalohany Beliefs Future Medical Topics Contact Us Publications Languages
Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?  7Lahatsoratra talohan’ityLahatsoratra manaraka

Manatòna An’Andriamanitra Amin’ny Vavaka

Nahoana no zava-dehibe ny mivavaka tsy tapaka? (1)
Iza no tokony hivavahantsika, ary amin’ny fomba ahoana? (2, 3)
Inona avy no azo atao antom-bavaka? (4)
Amin’ny fotoana toy inona ianao no tokony hivavaka? (5, 6)
Mihaino ny vavaka rehetra ve Andriamanitra? (7)

1. Miresaka amin’Andriamanitra amim-panetren-tena ny atao hoe mivavaka. Tokony hivavaka tsy tapaka ianao. Amin’izay dia ho tsapanao fa akaiky azy ianao, toy ny hoe akaikin’ny namana tiana. Tena lehibe sy mahery i Jehovah, kanefa mihaino ny vavaka ataontsika izy! Mivavaka tsy tapaka amin’Andriamanitra ve ianao?—Salamo 65:2; 1 Tesaloniana 5:17.

2. Anisan’ny fanompoantsika an’Andriamanitra ny vavaka. I Jehovah Andriamanitra irery ihany àry no tokony hivavahantsika. Fony teto an-tany i Jesosy, dia tsy nivavaka tamin’iza na iza mihitsy, afa-tsy tamin-dRainy ihany. Izany koa no tokony hataontsika. (Matio 4:10; 6:9) Tokony ho amin’ny anaran’i Jesosy anefa, no anaovantsika ny vavaka rehetra. Mampiseho izany fa hajaintsika ny toeran’i Jesosy, ary inoantsika ny sorom-panavotany.—Jaona 14:6; 1 Jaona 2:1, 2.

3. Tokony ho amin’ny fontsika no iresahantsika amin’Andriamanitra rehefa mivavaka. Tsy tokony hatao tsianjery na hovakina ao anaty boky ny vavaka lazaintsika. (Matio 6:7, 8) Tsy mampaninona izay fipetraky ny vatantsika rehefa mivavaka, na manao ahoana na manao ahoana. Rehefa fihetsika maneho fanajana dia mety. Afaka mivavaka isika na rahoviana na rahoviana ary na aiza na aiza. Ren’Andriamanitra na dia ny vavaka mangina ao am-pontsika aza. (1 Samoela 1:12, 13) Tsara ny mitady toerana mangina, lavitra ny hafa, mba hivavahana mitokana.—Marka 1:35.

4. Inona avy no azonao atao antom-bavaka? Izay rehetra mety hisy vokany eo amin’ny fisakaizanao aminy. (Filipiana 4:6, 7) Asehon’ilay vavaka nampianarin’ny Tompo fa tokony hivavaka momba ny anaran’i Jehovah sy ny fikasany isika. Azontsika angatahina koa izay zavatra ilaintsika, ny famelana ny helotsika ary ny fanampiana mba hanoherana fakam-panahy. (Matio 6:9-13) Tsy tokony hisy fitiavan-tena ny vavaka ataontsika. Zavatra araka ny sitrapon’Andriamanitra ihany no tokony hangatahintsika amin’ny vavaka.—1 Jaona 5:14.

5. Afaka mivavaka ianao isaky ny atosiky ny fonao hisaotra na hidera an’Andriamanitra. (1 Tantara 29:10-13) Tokony hivavaka ianao rehefa manan-java-manahirana, sy rehefa iharam-pitsapana ny finoanao. (Salamo 55:22; 120:1) Mety ny mivavaka alohan’ny sakafo. (Matio 14:19) Manasa antsika i Jehovah mba hivavaka “mandrakariva.”—Efesiana 6:18.

6. Mila mivavaka indrindra isika raha nanao fahotana lehibe. Tokony hitalaho famindram-po sy famelan-keloka amin’i Jehovah isika, amin’ny fotoana toy izany. Raha miaiky ny fahotantsika eo anatrehany isika ka tena miezaka mafy tsy hamerina izany, dia vonona ‘hamela heloka’ Andriamanitra.—Salamo 86:5; Ohabolana 28:13.

7. Ny vavaky ny olo-marina ihany no henoin’i Jehovah. Tsy maintsy miezaka mafy hiaina mifanaraka amin’ny lalàn’Andriamanitra ianao, raha tianao hohenoiny ny vavaka ataonao. (Ohabolana 15:29; 28:9) Tsy maintsy manetry tena ianao rehefa mivavaka. (Lioka 18:9-14) Mila manao ezaka mifanaraka amin’izay angatahinao amin’ny vavaka ianao. Hoporofoinao amin’izany fa manam-pinoana ianao ary tena zava-dehibe aminao tokoa izay lazainao. Amin’izay ihany i Jehovah vao hamaly ny vavaka ataonao.—Hebreo 11:6.

 

Navoaka tamin’ny 1996

Miverina amin’ny voalohanyFarany ambonyLahatsoratra talohan’ityLahatsoratra manaraka

Copyright © 2008 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania. All rights reserved.