Adiresy Internet Ofisialin’ny Vavolombelon’i Jehovah

Miverina amin’ny voalohany Beliefs Future Medical Topics Contact Us Publications Languages
Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?  9Lahatsoratra talohan’ityLahatsoratra manaraka

Tsy Maintsy Madio ny Mpanompon’Andriamanitra

Nahoana isika no tsy maintsy madio amin’ny lafiny rehetra? (1)
Inona no dikan’ny hoe madio ara-panahy? (2) madio ara-pitondran-tena? (3) madio ara-tsaina? (4) madio ara-batana? (5)
Fiteny manao ahoana no tokony hofadintsika? (6)

1. Madio sy masina i Jehovah Andriamanitra. Takiny amin’ny mpivavaka aminy ny fahadiovana: madio ara-panahy, ara-pitondran-tena, ara-tsaina, ary ara-batana. (1 Petera 1:16) Mila miezaka mafy isika mba ho madio hatrany eo imason’Andriamanitra. Miaina eo amin’ny tontolo iray maloto isika. Mirona hanao ratsy koa isika ka tsy maintsy miady amin’izany. Tsy tokony hanaiky ho resy anefa isika.

2. Fahadiovana ara-panahy: Raha ta hanompo an’i Jehovah isika, dia tsy azontsika arahina intsony ireo fampianarana na fombafomban’ny fivavahan-diso. Tsy maintsy miala amin’ny fivavahan-diso isika, ka tsy hanohana azy ireny na amin’inona na amin’inona. (2 Korintiana 6:14-18; Apokalypsy 18:4) Raha vao fantatsika ny marina momba an’Andriamanitra, dia tsy maintsy mitandrina isika mba tsy ho voafitaky ny olona mampianatra lainga.—2 Jaona 10, 11.

3. Fahadiovana ara-pitondran-tena: Tian’i Jehovah hadio fitondran-tena foana ny mpivavaka aminy. (1 Petera 2:12) Hitany daholo izay ataontsika, na dia ao amin’ny miafina aza. (Hebreo 4:13) Tokony hohalavirintsika ny fitondran-tena maloto sy ireo fanao maloto hafa eto amin’ity tontolo ity.—1 Korintiana 6:9-11.

4. Fahadiovana ara-tsaina: Raha zavatra madio no ampidirintsika ao an-tsaintsika, dia hadio koa ny fitondran-tenantsika. (Filipiana 4:8) Fa raha mifantoka amin-javatra maloto kosa ny saintsika, dia hahavita zava-dratsy isika. (Matio 15:18-20) Tokony hohalavirintsika ny fialam-boly mety handoto ny saintsika. Afaka mameno ny saintsika amin’ny zavatra madio isika rehefa mianatra ny Tenin’Andriamanitra.

5. Fahadiovana ara-batana: Solontenan’Andriamanitra ny Kristianina, ka tokony ho madio hatrany ny vatany sy ny fitafiany. Tokony hanasa tanana isika rehefa avy any an-kabine, sy rehefa handeha hisakafo na hikarakara sakafo. Raha tsy manana kabine ianao, dia tokony hatao ao anaty lavaka ny maloto ka hototofana. (Deoteronomia 23:13, 14) Mahasalama ny fahadiovana ara-batana. Tokony hilamina sy hadio ny tranon’ny Kristianina, na ao anatiny na eny ivelany. Tokony ho modely eo an-tanàna ny tranontsika.

6. Fiteny madio: Tsy maintsy milaza ny marina foana ny mpanompon’Andriamanitra. Tsy hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny mpandainga. (Efesiana 4:25; Apokalypsy 21:8) Tsy miteny ratsy ny Kristianina. Tsy henoiny sy tsy aloaky ny vavany ny vazivazy vetaveta, na ny tantara maloto. Noho ny fiteniny madio, dia miavaka izy ireo any am-piasana, any an-tsekoly, sy eo amin’ny manodidina.—Efesiana 4:29, 31; 5:3.

Tsy maintsy madio amin’ny lafiny rehetra ny mpanompon’Andriamanitra

Navoaka tamin’ny 1996

Miverina amin’ny voalohanyFarany ambonyLahatsoratra talohan’ityLahatsoratra manaraka

Copyright © 2008 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania. All rights reserved.