| Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? | 10 |
Fanao Halan’Andriamanitra |
|
| Ahoana no tokony hiheveranao ireo zavatra lazain’Andriamanitra fa ratsy? (1) | |
| Karazana firaisana ara-nofo inona avy no ratsy? (2) | |
| Ahoana no tokony hiheveran’ny Kristianina ny hoe mandainga (3) ny miloka? (3) ny mangalatra? (3) ny herisetra? (4) ny fifandraisana amin’ny fanahy ratsy? (5) ny fimamoana? (6) | |
| Ahoana no ialana amin’ny fanao ratsy? (7) | |
1. Tia ny tsara ny mpanompon’Andriamanitra. Tsy maintsy mianatra mankahala ny ratsy koa anefa izy ireo. (Salamo 97:10) Midika izany fa halaviriny ireo fanao halan’Andriamanitra. Inona avy ny sasany amin’izany? 2. Fijangajangana: Ny firaisana alohan’ny fanambadiana, ny fanitsakitsaham-bady, ny firaisana amin’ny biby, ny firaisana amin’olom-pady, ary ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy, dia fahotana lehibe amin’Andriamanitra avokoa. (Levitikosy 18:6; Romana 1:26, 27; 1 Korintiana 6:9, 10) Raha misy olon-droa tsy mpivady vita soratra nefa miray trano, dia tokony hisaraka izy ireo, na hivady ara-dalàna.—Hebreo 13:4.
3. Mandainga, miloka, mangalatra: Tsy mahay mandainga Andriamanitra. (Titosy 1:2) Tokony tsy handainga izay ta hahazo sitraka aminy. (Ohabolana 6:16-19; Kolosiana 3:9, 10) Ahitana fitiavam-bola foana rehefa mety ho filokana. Koa tsy miloka mihitsy àry ny Kristianina, na loteria io, na filokana amin’ny hazakaza-tsoavaly, na lôtô, na inona na inona. (Efesiana 5:3-5) Tsy mangalatra koa ny Kristianina. Tsy mividy zavatra fantany fa halatra izy ireo, na maka zavatra tsy nahazoan-dalana.—Eksodosy 20:15; Efesiana 4:28. 4. Misafoaka, mahery setra: Mety hahery setra ny olona tsy mahafehy fahatezerana. (Genesisy 4:5-8) Tsy ho sakaizan’Andriamanitra mihitsy ny olona mahery setra. (Salamo 11:5; Ohabolana 22:24, 25) Ratsy ny mamaly faty na mamaly ny ratsy nataon’ny hafa tamintsika.—Ohabolana 24:29; Romana 12:17-21. 5. Ozon’ny mpamosavy sy fifandraisana amin’ny fanahy ratsy: Misy miantso fanahy mba hahazoana hery hanasitranana aretina. Misy kosa manozona ny fahavalony mba hampaharary azy, na hahafaty azy mihitsy aza. I Satana no hery ao ambadik’izany rehetra izany. Koa tsy tokony handray anjara amin’izany ny Kristianina. (Deoteronomia 18:9-13) Ny fitoerana ho akaiky an’i Jehovah no fiarovana tsara indrindra amin’ny ozona mety hataon’ny hafa mba hamelezana antsika.—Ohabolana 18:10. 6. Fimamoana: Tsy ratsy ny misotro kely divay, na labiera, na fisotro hafa misy alkaola. (Salamo 104:15; 1 Timoty 5:23) Ratsy eo imason’Andriamanitra kosa ny miboboka toaka sy ny mimamo. (1 Korintiana 5:11-13; 1 Timoty 3:8) Mety hanimba ny fahasalamanao sy handrava ny tokantranonao ny fisotroana be loatra. Hanjary ho mora resin’ny fakam-panahy hafa koa ianao, noho izy io.—Ohabolana 23:20, 21, 29-35. 7. “Tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra” izay zatra manao zavatra lazain’Andriamanitra fa ratsy. (Galatiana 5:19-21) Afaka miala amin’izany fanao izany ianao raha tena tia an’Andriamanitra sy ta hampifaly azy. (1 Jaona 5:3) Mianara mankahala izay lazain’Andriamanitra fa ratsy. (Romana 12:9) Miaraha amin’olona manana fahazarana tsara. (Ohabolana 13:20) Afaka manampy anao ireo Kristianina matotra namanao. (Jakoba 5:14) Ambonin’izany rehetra izany, dia miantehera amin’ny fanampian’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny vavaka.—Filipiana 4:6, 7, 13. |
||
Navoaka tamin’ny 1996 |
|
Copyright © 2008 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania. All rights reserved. |
|