| Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? | 15 |
Manampy ny Hafa Hanao ny Sitrapon’Andriamanitra |
|
| Nahoana no tokony holazainao amin’ny hafa ny zavatra ianaranao? (1) | |
| Iza no azonao ilazana ny vaovao tsara? (2) | |
| Misy vokany inona eo amin’ny hafa ny fitondran-tenanao? (2) | |
| Rahoviana ianao no afaka miara-mitory amin’ny fiangonana? (3) | |
1. Efa nianatra zava-tsoa maro avy ao amin’ny Baiboly ianao izao. Tokony hampiezaka anao hanana toetra kristianina izany fahalalana izany. (Efesiana 4:22-24) Tena ilaina izany fahalalana izany mba hahazoanao fiainana mandrakizay. (Jaona 17:3) Mila mandre ny vaovao tsara anefa ny hafa mba ho voavonjy koa. Tsy maintsy mitory amin’ny hafa ny tena Kristianina rehetra. Didin’Andriamanitra izany.—Romana 10:10; 1 Korintiana 9:16; 1 Timoty 4:16. 2. Afaka manomboka milaza ireo zava-tsoa ianaranao amin’ireo olona manodidina anao, ianao. Ilazao ny havanao, ny namanao, ny mpiara-mianatra sy mpiara-miasa aminao. Aoka ianao ho tsara fanahy sy hanam-paharetana rehefa manao izany. (2 Timoty 2:24, 25) Tadidio fa matetika ny fitondran-tenanao no tena jeren’ny olona fa tsy izay lazainao loatra. Koa ny fitondran-tena tsara asehonao àry dia mety hisarika ny hafa hihaino ilay hafatra lazainao aminy.—Matio 5:16; 1 Petera 3:1, 2, 16. 3. Aoriana kely, dia mety hahafeno fepetra ianao mba hanomboka hiara-mitory amin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana. Dingana lehibe eo amin’ny fandrosoanao izany. (Matio 24:14) Tena ho faly be ianao raha afaka manampy olona ho tonga mpanompon’i Jehovah sy hahazo fiainana mandrakizay!—1 Tesaloniana 2:19, 20. |
||
Navoaka tamin’ny 1996 |
|
Copyright © 2010 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania. All rights reserved. |
|